Ilay Papangon’ny Nofy (La cometa de los sueños / The Kite of Dreams)

Page 1




Ho an’ny ankizy rehetra eran’izao tontolo izao, antenaina fa hanampy azy ireo hahita ny tena hasambarana ny Papangon’ny Nofy — Pilar López Ávila, Paula Merlán y Concha Pasamar —

Ilay Papangon’ny Nofy Lahatsoratra © 2019 Pilar López Ávila sy Paula Merlán Sarisary © 2019 Concha Pasamar Ity fanontana ity © 2019 Cuento de Luz SL Calle Claveles, 10 | Urb. Monteclaro | Pozuelo de Alarcón | 28223 | Madrid | Spain www.cuentodeluz.com ISBN: 978-84-16733-67-5 Lohateny nanoratana azy voalohany amin’ny teny espaniola: La cometa de los sueños Dikanteny Anglisy nataon’i Jon Brokenbrow Natao pirinty tany PRC, Shanghai Chenxi Printing Co.,Ltd. Aogositra 2019, laharan’ny pirinty xxx ISBN: 978-84-16733-99-6 Tsy azo adika na alain-tahaka




Dia nisosa teny amin’ny rivotra ilay Papangon’ny nofy, nanangona ny fanantenana sy nofinofin’ny ankizy eran’izao tontolo izao. Raha te-hanaraka ianao, dia hazony mafy ny rambony. Meteza ho entiny manidina ambonin’ny rahona, tsy misy afa-tsy feon’ny rivotra no mitopatopa amin’ny tarehinao. Fenoy hasambarana ny fonao. Dia manofisa tontolo tsara kokoa.


Eo amin’ny morontsirak’i Portugal, mibanjina ny RanomasimbeAtlantika midadasika, io i Amalia fa mihaino ny mozikan’ny onja anatin’ny akorandriaka sady mitazana ny trozona sy ny dauphin miaraka amin’ilay Mpanjakavavin’ny Ranomasina. Milalao ilay papangokeliny fotsifotsy izy, sady manonofy ranomasina madio, tsy ahitana plastika mamatotra ny tendan’ireo vorondranomasina. Azony sary an-tsaina ilay izy tsy misy vifotsy manjelatra toy ny kiran-trondro,mamitaka an’ireo phoque hitelina azy ireo. Ary ranomasina tsy ahitana harato nariana izay mamandrika an’ireo soka-dranomasina no antenainy. Fantatr’i Amalia fa kintana nilatsaka avy eny amin’ny lanitra ireo jiro mamirapiratra eny amin’ny onja.



Mipetraka any atsimon’i Bolivia i Juana. Folo taona izy fa tsy maintsy miasa sahady manampy ny fianakaviany. Sombi-mofo kely no mba hany sakafony alohan’ny handehanany hiasa. Isaky ny mampiasa ny lambany izy, dia manonofy. Mavomavo toy ny masoandro ny papangon’i Juana. Manidina ambony be ilay izy, ka mahatakatra an’ireo kintana. Efa mila ho voakasiky ny tanany mihitsy ireny. Avy eny ambony eny i Juana no mijery an’izao tontolo izao ety ambany ary mahatsiaro toy ny hoe tsy misy zavatra ratsy mety hanjo azy. Tonga teny amin’ny volana izy, dia namaky an’ireo tantara tena tiany. Tampoka teo, dia namerina ny sainy ho amin’ny tena zava-misy ny tabataban’ny tanàndehibe. Nitraka indray nijery ny lanitra i Juana, nanana fanantenana tao am-pony.



Najobok’i Mohesiwä tanaty poizina ny zana-tsipikany. Nalemin’ny poizina izay biby nohazainy. Avy amin’ny foko misy azy, ny Yanomami, mipetraka any amin’ny alan’i Amazonia no nianarany nanao an’izany. Nahita vorona hafahafa nanidina teny anelanelan’ny hazo tao an’ala i Mohesiwä ka nanenjika azy io namakivaky ny zavona vao maraina. Mbola tsy nahita papango mihitsy i Mohesiwä hatrizay. Izao no mba faniriany: hipetraka foana ao amin’ilay sombin’ala mikitroka misy azy, tsy haka afa-tsy izay ilainy ihany, lavitry ny milina mpanapaka hazo sy ireo olona mikiakiaka mandrahona. Tiany foana ny hahita an’ireo boloky manidintsidina, sambatra sy afaka manao izay tiany hatao. Ary handravaka ny vatany amin’ny volon’izy ireny.



Misy kolibri manidintsidina eny an-tampon-kavoana iray any Haiti. Iny ny papangon’ny nofin’i Eliasen. Tsy manao kapa i Eliasen ary amin’ny rano mihandrona eny andalana izy no manasa tongotra. Manampy ny reniny mivarotra akondro sy ranom-boanio amin’ny olona mandalo amin’iny lalana iny izy.


Rehefa manomboka mitsoka ny rivotra fambara fa ho avy ny orana ny tolakandro dia mianika eny an-tampon-kavoana i Eliasen hampanidina an’ilay papangony miendrika kolibri. Dia avy eo izy mihazakazaka miverina any amin’ny trano bongony vita amin’ny hazo, dia manonofy trano vita amin’ny simenitra izay tsy mety ravan’ny rivodoza. Manomboka avy ny orana.


Tondraky ny rano i Mexico. Avy be loatra ny orana. Nirenireny teny an-dalana teny i Lis, tsy nisy dia haleha mazava, mandra-pahitany ravin-damba iray. Efa rovitra ilay izy saingy tsara soratra. Efa tia manjaitra hatrizay moa izy ka namboariny ilay izy. Nandinika an’ilay izy segondra vitsy izy, dia nakimpiny ny masony. Nampanonofy azy voninkazo sy lolo ary ala ilay sora-damba.


Nanamboaran’i Lis papango ilay lamba ary niaraka nampanidina azy izy sy ny zandriny lahy. Dia tsy leo nilalao mihitsy izy ireo na dia nitsoka mafy be aza ny rivotra. Rehefa manonofy ohatr’izany i Lis dia tsy mahatsiaro tahotra intsony, ary tiany raha mba ho toy izany foana ny fiainany.


Any San Diego, Kalifornia, io i Matthew miandry ny dadany ho avy haka azy. Handeha ho any amoron-dranomasina ry zareo hampanidina ny papangony, ilay nomen’ny dadany azy tamin’ny tsingerintaona nahaterahany, saingy mbola tsy nandramany mihitsy. Ananan’i Matthew daholo rehefa kilalao natao holalaovina sy hahasambatra ny J. Saingy tara toy ny efa mahazatra ny dadany. Naharay hafatra tamin’ny findainy izy avy eo. Niverina tany an-trano i Matthew, niakatra ny tohatra nankany amin’ny efitranony, dia nampiriminy indray ilay papango. Angamba afaka mandeha ry zareo rahampitso na afak’ampitso. . .



Ao Cable Beach, any Aostralia, mibaliaka ery ny masoandro. Mihazakazaka manaraka ny moron-dranomasina i Jack. Hadinony any an-trano ny findainy. Afaka mandinika ny zava-drehetra manodidina azy izy noho izany. Misy rameva maromaro manivatsiva miampita ny fasika mando. Rameva, any Aostralia! Te-handeha hijery azy ireo eny i Jack.

Saingy manahy izy sao dia misy hafatra na antso tsy voaray. Misy lamba tonta milatsaka tampoka eo amin’ny tongony. Mahita hevitra izy. Mipelipelika be ny ratsan-tanany toy ny nisy mazia. Nasiany hazokely vitsivitsy sy tady fotsiny ilay izy, dia nahavita papango azy manokana izy. Manonofy ny mamany i Jack rehefa mampanidina an’ilay izy. Manina be azy izy! Any lavitra be any izy sady miasa mafy be. Mieritreritra azy i Jack sady mandefa ny papangony ary manomboka milentika moramora kosa ny masoandro.



Tsy nahafinaritra ity alina ity ho an’i Edwin. Mbola resin-tory niaraka tamin’ny ankizilahy sy anikizivavy maromaro izy no nisy nanaitra azy ireo tamin’ny feo tezitra be, ka tsy maintsy nitsoaka ry zareo. Niafina tao ambany tetezan-dàlambe ry zareo fa ao no azo antoka kokoa saingy tsy dia mampahazo aina loatra. Vao niposaka ny masoandro, nandeha tany amin’ny Ankanin’ny zaza tsy manan-kialofana any Manila, Filipina i Edwin. Nomen-dry zareo zavatra hohanina izy, dia avy eo nankany an-dakilasy hianatra mamaky teny sy manoratra. Ny tolakandro, niverina nandehandeha teny an-dalana i Edwin fa eny izy mahatsiaro ho olona afaka kokoa. Afaka toy ilay papango hovidiny indray andro any. Nefa amin’izao aloha, ny hany any anaty eritreriny dia ny fomba hivelomany, dia tsy maintsy miandry aloha izany ny papango.



Mipetraka ao amin’ny tanàna iray any Sina i Xia. Miala vao maraina be ao an-trano izy handeha hianatra. Eny an-dalana, mihaona amin’ny namany izy. Vetivety eo anefa, miova ny endrika falifalin’i Xia ary manomboka mangovitra izy. Tsy maintsy mianika hantsana mideza sy mampidi-doza izy vao tonga any am-pianarana. Somary matahotra kely aloha izy. Saingy misy fikafika iray fantatr’i Xiaizay mandaitra foana. Namikitra mafy tamin’ilay tohatra hazo izy. Mody ataony hoe misy papango mitondra azy miakatra eny amin’ny rivotra, dia tadidiny ny fanandramana iray nataon-dry zareo tany am-pianarana ny omalin’io, momba ny lalao isa holalaovin-dry zareo mandritra ny fianarana kajy, ary ny lalao an-tsehatra tsy maintsy hianarany ho ny fianarany tantara an-tsehatra. Ny nofinofin’i Xia dia ny ho lasa mpampianatra indray andro any. Tonga teny an-tampon’ilay hantsana izy ny farany, dia nanohy ny lalany. Toy izay no nataony tamin’ny andro hafa.



Tsy maintsy niala nianatra i Chandra raha vao roa ambin’ny folo taona monja, satria ny ray aman-dreniny nila azy hanampy azy ireo mikapa kitay, mantsaka na mandeha mividy vary any an-tsena. Izy no zandriny indrindra amin’izy enina mianadahy, ary mipetraka any Nepal, any amin’ny tendrombohitr’i Bhojpur. Midika hoe ‘volana’ ny anarany.


Tia mihazakazaka i Chandra. Ny nofinofiny dia ny ho lasa altleta sangany indray andro any, hihazakazaka haingana noho ny rivotra mitsoka an’ireo papangon’ny ankizy hafa ho eny amin’ny rivotra, ary fantany fa indray andro any izy mbola handray anjara amina hazakazaka lehibe. Mandra-pahatongan’izany, mihazakazaka sy mifaninana amin’ny rivotra mitondra ny papangon’ny nofiny eny amin’ny rivotra i Chandra.


Mipetraka any Ukraine i Vanko. Taona maro lasa izay, nanova ny ny fianakaviany mandrakizay ny taratra niparitaka avy ao Chernobyl. Ny sakafo haniny, eny fa na ny rivotra fohany aza dia ratsy ho an’ny fahasalamany. Ny faniriany dia ny hifindra lavitra, tena lavitra, hifoka rivotra madio, hanavatsava tendrombohitra, hilomano amin’ny renirano ary handehandeha tsy misy n’inona n’inona hatahorana. . . Ahafahany manidina miaraka amin’ny nofinofiny hatrany Espaina ilay papangony. Isan-taona, any izy no mandany ny fahavaratra miaraka amin’ny ankizy hafa mitovy taona aminy. Manonofy ny zava-drehetra mety hahafinaritra azy rehefa tonga any i Vanko.




Te ho lasa arkeology i Amunet. Tiany ny hahita vakoka nafenina, Farao maty efa ela be sy momia milevina. Be fahasahiana i Amunet ary te-hianatra any amin’ny oniversiten’i Caire izy saingy tsy ho mora anefa izany. Efa nilaza an’izany foana ny mamany. Tampoka teo, tonga tao an-tsainy ny sarina papango miendrika piramida. Notsofin’ny rivotra ho eo an-tanany ilay izy, dia nolalaoviny. Nobitsihin’i Amunet tamin’ny rivotra ilay nofiny sarobidy indrindra. Avy hatrany dia nahatsapa zavatra toa nahatalanjona izy.


Mifoha maraina be i Anja ary mamoha an’i Tovo. Raha tonga alohan’ny olon-kafa ry zareo, dia mety hahita zavatra manan-danja. Saingy na nifoha maraina aza ry zareo, dia efa betsaka sahady ny olona nikarokaroka tao amin’ny daba-pako lehibe indrindran’i Antananarivo any Madagasikara. Kely i Tovo fa marani-tsaina, dia izany matetika no ahitany zavatra tsy hitan’ny olon-kafa: sarona tavoahangy plastika, tari-by varahina, na visy. Faly i Anja fa manana an-jandriny miaraka aminy ary manantena fa ho eo akaikiny foana izy. Nahita papango rovitra misy ribao milokoloko i Tovo. Niaraka nanamboatra azy io tamin’ny sasem-pako izy dahy. Rehefa tolak’andro ry zareo dia hampanidina azy amin’ny rivotra mitsoka mandalo amin’ilay dabam-pako, eo toerana ny fokelin’izy ireo no midobodoboka mafy.



Any amin’ny tanà na misy azy any Angola, miondrika mitazana ny moron-dranomasina i Adilson. Nalahelo izy fa latsaka tanaty ranomasina ny papangony, dia izao lena be sady maloto ka tsy mety manidina. Misy vehivavy maromaro maka trondro eny amoron-drano, i Adilson kosa mihady lavaka izay tsy ela dia feno ranon-javatra mainty sy miraikidraikitra. Nilaza ny dadany fa raha an’ny olona rehetra io solika io, dia tsy ho nahantra sy noana intsony mihitsy ry zareo.


Soa ihany i Adilson fahahazo volamadinika vitsivitsy vokatry ny famenoana tavoahangy be amin’ny solika mba hahafahany mividy zavatra hohanina, dia avy eo hipetraka eo amin’ny fasika izy. Manonofy mijery masoandro milentika ambonin’ny ranomasina izy hoe indray andro any io hadio izaitsizy ka tsy handoto ny papangony intsony.


Milalao anaty sahana voninkazo tanamasoandro any amin’ny moron-tsirak’i Valdoviño, any Espana, i Angel. Mampanidina ambony dia ambony ny papangony ny rivotra. Miezaka mihazona azy mafy i Angel nefa lasa manidina lavitra ilay izy. Saingy tsy manahy izy. Mitsiky izy satria feno papango avy amin’ny lafivalon’ny tany eny amin’ny rivotra! Niara-tonga ny nofin’izy rehetra ka nampahery azy avy. Mamikitra amin’ny fanantenana ny rambon’ireo papango. Tazonin’ny fitiavana hipetraka tsara ny tahon’izy ireo. Ary ny lokon’izy ireo dia lokon’ny fifaliana ranoray.





Ao anaty ala mikitroka ipetrahany sy ilalaovany no tanteraka ny nofin’i Mohesiwä. Mitsiky i Amunet mieritreritra ny hoaviny. Manonofy atoandro i Juana eo am-panasana fitaratra arorivotry ny fiara ary, any amin’ny ilan’izao tontolo izao kosa, i Anja sy Tovo zandriny mikaroka anatin’ireo fako miavosa, tsy mitsahatra mibanjina ny nofin’izy ireo. Mampanidina ny papangony ireo ankizilahy sy ankizivavy ao amin’ireo tantara fohy ireo ary manonofy tontolo tsara kokoa. Tazony mafy ny tadiny, dia tongava hiaraka amin’izy ireo hanidina lavitra miaraka amin’ilay Papangon’ny Nofy.


Issuu converts static files into: digital portfolios, online yearbooks, online catalogs, digital photo albums and more. Sign up and create your flipbook.